Fotoana izao handraisan’ny filoham-pirenena sy ny rehetra fanapahan-kevitra hentitra hitsinjovana ny ho avin’ny taranaka faramandimby,
hoy ny filohan’ny Tamami,Floriot Samihary, nandritry ny antsoavo natao ny omaly tetsyAnosy. Fotoana fampandraisana anjara anay mpanohitra ihany koa, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena tamin’ny fetim-pirenena, hampandraisana anjarany mpanohitra amin’ny fifanomezan-tanana. Mampahatsiahy fotsiny izahay, hoy izy, ary maniry ny hisian’ny governemanta iraisana satria tsy misy hahazo tombony amin’ny fifandrangitana sy fifamonoana fa ny fahavononan’ny tsirairay no zava-dehibe.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.