Maika ny fifidianana lalŕmpanorenana vaovao ho an’ny antoko politika TAMAMI na ny Tanora Malagasy Miroso).
Ho azy ireo mantsy dia lalam-panorenana tsy nahazoan’ny vahoaka madinika tombony no nisy teto amintsika hatramin’izay fa manome vahana hatrany kosa ny mpanam-bola sy ny mpitondra fanjakana nifandimby. Tsy vahaolana ho an’ity antoko ity, araka izany, ny fametrahan’ny filoham-pirenena fialana, ny fanaovana ny fifidianana mialoha ny fotoana, toraka izany koa ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny taona 2018 na dia antoko mpanohitra aza izy ireo. Raha mbola io lalàmpanorenana hiainantsika io hatrany mantsy, hoy Andriamatoa Samihary Floriot, no hijanona eo dia tsy hisy zava-banona fa handalo olana lava tahaka izao hatrany ny firenena. Mikasika ny zava-nitranga tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ka nahafatesana olona telo ary naharatrana olona 91 ny alin’ny 26 jona lasa teo dia notsindrian’ny filohan’ny antoko fa mpamadika tanindrazana izay nanao ireny satria mamono ny mpiara-belona. Tokony hatao anatra ireny ka ny tsara indrindra dia ny mifanampy sy mifanome tanana izay niantsoany ny rehetra, hoy izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.