Politique

ANTOKO STEP MADAGASIKARA Hamerina amin’ny fomba madio ny fanaovana politika eto amintsika


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Antoko politika vaovao vao niforona ny Step Madagasikara, tarihin’ny filohany Rtoakely Raberanto.

 Enina mianadahy ireo mpikambana ankehitriny izay nihaona voalohany tetsy amin’ny Cmdelac Analakely ny faran’ny herinandro teo notronin’ireo tanora marobe mitovy taona aminy. Anton’ny fihaonana ny hamondronana ireo tanora mitovy fomba fijery rehetra ka hahatonga azy ireny ho mpitarika sady hanam-pahendrena ho modely tarafin’ny hafa eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy hanongam-panjakana akory izahay, hoy Rtoakely Raberanto fa kosa hijery ny eny ifotony mihitsy manomboka any amin’ny asa fanabeazana hanarenana ny tsy mety. Tafiditra ao anatin’izany ny famerenana amin’ny fomba madio ny fanaovana politika eto Madagasikara. Zary lasa ratsy ary tsy hankasitrahan’ny olona intsony mantsy ny fanaovana politika eto amintsika nefa tsy ny politika no ratsy, hoy Razafimahazo Paul, filoha lefitry ny fikambanana fa ny fanaovana izany no tsy araka ny tokony ho izy. Roso ny dian’ny antoko Step Madagasikara. Tsy ny haka na hiady seza no mahamaika azy ireo fa ny hanambatra ny heriny ho enti-manavotra ny firenena ka afaka folo taona any ho any vao mety hisy hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna na solombavambahoaka ireo mpikambana ao aminy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT