Politique

Antoko SJIAN Tanteraho haingana ny fampihavanam-pirenena


  • Zoma 18 Jolay 2014

Mangataka ny hanatanterahana haingana ny fampihavanam-pirenena ny antoko SJIAN (Solidarité des jeunes intellectuels pour l’avenir de Madagascar).

Io ihany mantsy, hoy ny filohany, Monja Nasondrotra Audran, no hany vahaolana hahafahana mampandroso ny firenena ka hifanomezan’ny rehetra tanana. Zary lasa resa-be fotsiny izany teo aloha teo fa tsy nahitam-bokany, hoy ihany ny antoko SJIAN. Manainga ireo raiamandreny ara-drazana, raiamandreny am-panahy ny antoko mba hijery akaiky ny fanatanterahana azy io. Fampihavanana izay notsindriany fa tokony hatrehin’ireo filoham-pirenena dimy lahy mianaka nifandimby ka anisan’izany ny filoha Ravalomanana Marc izay tokony ho tonga hiatrika izany eto an-tanindrazana mihitsy. Ny tanjona, hoy ihany ny antoko SJIAN dia mba hahafahana mamaha ny disadisa ara-politika iadanan’ireo vahoaka madinika 22 tapitrisa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT