Politique

Antoko RPSD Misolelaka amin’ny HVM koa


  • Alarobia 27 Jolay 2016

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ary mba ho tombontsoan’ny firenena marina, dia manao antso avo amin’ny antoko politika isan-tsokajiny amin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny,

 

 Andriantsizehena Benja Urbain, ny antoko RPSD mba hampitsahatra ny kajikajy politika miseholany ataon’izy ireo ankehitriny. Harangaranga fatratra ny resaka demokrasia, hoy ity mpanao politika ity, nefa mifanindran-dalana amin’izany marindrano ny fanakorontanana fitondrana. Voizina ny resaka fanambarana hery ataon’ireo ankolafy politika isan-tsokajiny ankehitriny na dia ireo tsy dia nitovy hevitra loatra aza tany aloha tany. Tsy misy sahy mitonona ho mpanohitra madiodio izao ireo vondrona parlemantera eny anivon’ny rafitra mpanao lalàna roa tonta dia ny Antenimierandoholona sy Antenimieram-pirenena ka mahatonga ireo toerana voalazan’ny lalàmpanorenana homena ny mpanohitra mbola banga ankehitriny, hoy ihany ity Sekretera jeneralin’ny Rpsd ity. Mbola mandeha koa ny vinavinan’ireo mpitarika politika amin’ny hahazoana toerana mora foana amin’ny fivoizana fifidianana filohan’ny Repoblika mialoha ny fotoana ka hirosoana amin’ny tetezamita vaovao hafa indray, hoy izy. Ny rafitra tetezamita izay efa nandrendrika ny firenena malagasy hatreto ka tsy tian’ny RPSD hiverina mihitsy intsony hitsangana indray eto amin’ity Nosy ity. Tokony hiomana dieny izao fotsiny amin’ny hiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018 ireo namana mpanao politika rehetra. Dia inona moa izany fa tsy tafiditra ho anisan’ireo mpanohana ny hevitry ny HVM sy ireo milaza ho mpanohana azy mivantana  koa ity antoko RPSD ity raha izay voalazan’ity sekretera jeneraliny ity rehetra izay no zohina.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT