Samy manana ny paik’ady sy ny fomba fiasany ireo etamazaoro politika isan-tsokajiny amin’izao ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena izao. Eo ireo be fiavy tahaka ireo kandidà sasany izay miezaka mampahafantatra ny tenany na dia tsy mbola fotoanan’ny fampielezan-kevitra akory aza izao. Ao kosa anefa ireo izay maka tsy taitra sy miezaka mandamina tsara ny fotoana sy ny fandrindrana ny fihetsehana, anisan’izany ry zareo ao amin’ny Roso ho an’ny Demokrasia sy ny Sosialy raha ny fanazavan-dRajohnson Christian mpanolotsaina manokan’ny kandida Fetison Rakoto Andrianiriana. Nohamafisiny fa vonona tanteraka amin’io fifidianana hotanterahana amin’ny 25 oktobra izy ireo, ary be fanantenana amin’ny fandresena ihany koa. Mino ary resy lahatra ity antoko ity fa hisy io fandatsaham-bato io. Tokony hifanohana ny mitovy fomba fijery mba hamerenana an’i Madagasikara ao anatin’ny tany tan-dalàna, hoy ity mpanolotsaina ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.