Nitondra ny heviny manoloana ireny vina Fisandratan’i Madagasikara 2030 nambaran’ny filoham-pirenena ireny ny avy amin’ny antoko PSD tarihan’ny filohany, Bezaza Eliane.
Nambarany fa taratry ny tsy fahombiazan’ny mpitondra no nanaovany an’iny vina iny. "Rehefa tsy mahomby, aleo mitsotra ary alefa ny fifidiananan, hoy ny filohan’ny antoko PSD. Olon-kafa izay mahomby no hofidian’ny vahoaka ho filoham-pirenena eo. Efa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ny azy, hoy izy. Taona 2030 no resahina. Tsara ny manao vina lavitra fa amin’ny fampielezan-kevitra izay tsy mbola mahalany ny tena no mivoaka izany. Izay no handaniana ny tena fa tsy hoe efa tsy nahomby efa-taona ianao, izay vao hamoaka vina amboamboarina.
Fitaka ny vina 2030
“Fitaka ny vina 2030, fa efa fahefa-taonan’ny fitondrana izao, hoy i Bezaza Eliane. Efa fifidianana no resahina izao, izay no handrasan’ny rehetra rehefa misy kabarin’ny filoham-pirenena hoe : ahoana ny fifandimbiasan-toerana ? Mampiakatra tanan’akanjo angaha no andrasana amin’ny filoham-pirenena ? Toy ny hoe mpampianatra manafina amin’izany ny tsy fahombiazana rehetra.
Ny resaka tena marina, ny anaty anatin’ny vilany sy lovian’ny vahoaka no tokony horesahina, fa tsy fitaka sy sarimihetsika tahaka izao. Mody atao hoe fahefa-taona, amoromporonana tarehimarika hoe nahomby nefa tsy marina... Mihena, hono, ny fahantrana. Izy ihany no mahita an’izany. Mahita izahay fa vao mainka aza miampy ny fahantrana. Nihena ve ny isan’ny olona matory any anaty tonelina ? Miakatra ny isan’ny kapoakam-bary ho an’ny Malagasy tsirairay ? Miakatra ve ny fahefa-mividiny ? Izany no fiainan’ny rehetra, nefa tsy misy resaka”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.