Politique

Antoko PSD Mampiady fianakaviana


  • Talata 04 Septambra 2012

Mampiady fianakaviana, mpiray tampo mihitsy aza ny politika ankehitriny.

 Na dia tsy mpikambana PSD (Parti Social Démocrate) aza ny tenany dia toherin’i Tsiranana Pierre ny maha filoha vaovaon’ity antoko naorin-drainy ity an’i Fetison Rakoto Andrianirina. Ity farany izay nahazo ny tsodranon’i Ruffine Tsiranana hitondra ny antoko. Amin’i Tsiranana Pierre, filohan’ny antoko PFDM (Parti Fort pour la Démocratie à Madagascar) sy ireo mitonona ho raiamandreny avy any Sofia ary koa ireo milaza ho taranaky ny filoha Philibert Tsiranana dia «misandoka fahefana» i Fetison Rakoto Andrianirina. “Misy zavatra hafahafa ao. Na dia natoritory aza ny PSD dia tokony ho olona mpikambana tao anatiny ihany no akarina ho filoha fa tsy olon-kafa. Tsy mifanaraka amin’ny fotokevitry ny antoko velively izany”. Nanamafy koa ny pastera Tehindrazanarivelo Emmanuel, filohan’ny Komity fankalazana ny faha-100 taonan’i Philibert Tsiranana fa tsy nisy akory kongresy nanapaka ny maha filoha an’i Fetison Andrianirina. Izay anefa no voalazan’ny satan’ny PSD.

Niezaka ny nangina ny tenako, hoy hatrany pastera saingy tsy maintsy niteny ihany ho famerenan-doha ireo diso lalana noho ny fitarainana maro voaraiko tamin’ireo mpikambana PSD tamin’ny alalan’ny antso an-tariby izay niangavy ahy mba hanohitra izao zava-misy izao. Ramandanona Victor, solontenan’ny Sojabe avy any Sofia koa dia nandefa taratasy “miantso ny fampitsaharana izao fananganana PSD sandoka sy soloky izao”. Eo anatrehan’ity raharaha ity dia nilaza i Tsiranana Pierre fa hitsangana hiaro izay sanganasa napetraky ny rainy no sady miantso ny Ministeran’ny Atitany koa hampihantra ny lalàna mifehy ny antoko politika. Nandritra ny valandresaka narahina adihevitra natao tao amin’ny Le Louvre Antaninarenina omaly tolakandro no nivoahan’io fanambarana io. Antoko milaza ho demokraty moa ny PSD koa asa na hivelatra ka hahazaka izay tokoa na hijanona ho antokom-pianakaviana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT