Niova filamatra ny antoko noforonin’ny rain’ny fahaleovantena malagasy Philibert Tsiranana, ny PSD (Parti Social Démocrate) na Pi So Dia ho an’ny anarana nahazatra azy teo amin’ny fifaninanana politika.
Nomena olon-kafa ankoatra ny zanany mantsy ny fitantanana ny antoko ankehitriny. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny Carlton Anosy izany omaly. Tsy iza io olon-kafa io fa Atoa Fetison Rakoto Andrianirina tsy zoviana amin’ny maro amin’ny nitantanany ny ankolafy Ravalomanana teto an-toerana tamin’ny fotoana nampvaivay ny tolona tamin’ny taona 2009 ireny. Niakatra ho filoham-boninahitra ny zanany vavy, Tsiranana Ruffine. Ny fotokevitra kosa, hoy ny fanazavana azo tetsy Anosy omaly ihany dia tsy miova fa ny fanomezana lanja sy tombony ny eny ifotony ka homena hasina ao anatin’izany ny faritra, hohajaina ny fahavitan-tenam-paritra sy ny fitsinjaram-pahefana mirindra. Tazonina ihany koa ny “ Politikan’ny kibo “ sy ny “ Asa fa tsy kabary ” efa nampalaza ity antoko ity hatramin’izay, indrindra tany amin’ny taona 60. Ny teny filamatra kosa dia ny hoe : “ Fongary ny lasa, hanatsarana ny ho avy ”.
Ho vaindohan-draharaha, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitra ny fametrahana ny tena demokrasia sy ny fanajana ny safidim-bahoaka fa izay no tena lesoka teto amintsika tao anatin’izay telo taona niainana ny krizy izay. Hanaovana drafi-pivoarana manokana ny tanora, hoy ny PSD ary hojerena akaiky ny dinam-piarahamonina mba hamaritana amin’ny fomba vaovao ny atao hoe “ fihavanana ”. Miainga eny ifotony ny fampandrosoana rehetra amin’ny maha politikan’ny kibo azy, hoy ny PSD, fa ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra no fanoitra amin’ny fivoaran’i Madagasikara. Novana hifanaraka amin’izany ny sary famantarana ity antoko ity ka ny teny hoe “ Malagasy voky, milamina. Malagasy salama, mamokatra. Malagasy mahay, mandroso” no misongadina. Hifototra amin’ny maha olona ny sori-dalana atolotry ny PSD ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy ka mirafitra ho andry valo ny fanatanterahana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.