Politique

Antoko PSD Handray ny andraikiny


  • Alakamisy 22 Desambra 2016

Nosantarina tao Mahajanga ny sabotsy 17 desambra teo ny fankalazana ny tsingerintaona faha-60 niorenan’ny antoko PSD (Parti Social-Démocrate) na koa Pisodia araka ny ahafantaran’ny maro azy.


Nanakoako ny hira « PSD zahay mandra-pahafatinay...», ary tsapa tamin’io fa mbola ao am-pon'ny vahoaka maro ny filoha Philibert Tsiranana, mpamorona ny antoko PSD. Tamin'ny 28 desambra 1956 no niforona tao Mahajanga ny PSD koa rariny raha tao ihany koa no nisantarana ny lanonam-pankalazana. Nilaza ny sekretera nasionaly Bezaza Marie Eliana fa hitohy mandritra ny taona 2017 ny fankalazana io tsingerintaona faha-60 io ka tanjona amin’izany ny hamerenana amin'ny Malagasy ny tena tantarany. Anisan'ny « manabotry ny firenena ny tsy fahafantarana ny tantara », hoy izy. Hatramin'ireo ady rehetra nataon'ny Foko isan-karazany niadivana tamin'ireo mpanjanatany ka hatramin'ny fototra iorenan'ny Repoblika sy ny Soatoavina entin'izany, dia manjavozavo avokoa amin'ny ankamaroan'ny Malagasy ary betsaka ny mahatsiaro tsy ho tompon'i Madagasikara fa zanak'ikalahafa. Koa handray ny andraikiny ny antoko PSD hitondra ny anjara birikiny hanatanteraka fampisehoana mivelatra mitety faritra, mba hanohizana ny fankalazana mba hahatonga ny Malagasy, indrindra moa ny tanora, mba ahalala ny fototra, hoy hatrany Rtoa Bezaza Marie Eliana. « Ny fahalalana ny fototra no hahatonga antsika ho tia tanindrazana. Ny fitiavan-tanindrazana no hahatonga antsika hifantoka tanteraka amin'ny asa fampandrosoana ny firenena », hoy hatrany izy. « Firenena iaraha-manana i Madagasikara », hoy izy, « tsy amidy tsy atakalo, ambelao ho somain-jafy ! ».

 

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT