Politique

Antoko PSD Bezaza Eliane no Sekretera Nasionaly vaovao


  • Alatsinainy 11 Jolay 2016

Taorian’ny nahavitany ny kongresy nasionalin’ny antoko nandritra ny roa andro ny alakamisy 8 sy zoma 9 jolay teo teny Tsiadana

 Antananarivo dia namoaka ny fehinkevitra tapaka teny Antaninarenina ny sabotsy teo ny antoko PSD na Parti Social Democrate noforonin’ny rain’ny fahaleovantena, Philibert Tsiranana. Ankoatra ny fanitsiana ny andinindininy tamin’ny sata mifehy ny antoko dia nisongadina ny resaka fanovana ny rafi-pitantanana ny antoko tamin’ny ankapobeny. Fantatra àry fa lanin’ny kongresy ho Sekretera Nasionalin’ity antoko ity nandimby toerana an-dRtoa Ruffine Tsiranana izay lasa filoham-boninahitra Rtoa Bezaza Marie Eliane izay zanaky ny mpitantana fahiny tao amin’ity antoko ity ihany ary misy rohim-pihavanana akaiky dia akaiky amin-dRtoa filoham-boninahitra ihany. Izany hoe tsy miala amin’ny sary fahita amin’ny fitantanana antoko politika eto amintsika ihany no mbola miseho eo anivon’ity antoko PSD ity ankehitriny, ka dia mbola hifandovana mandraka ankehitriny ny fitantanana izany antokon-drazana izany. Mbola velona ny antoko PSD, hoy ny feo nanakoako tetsy Antaninarenina tamin’ny sabotsy noho ny ezaka nataon’ny Sekretera Nasionaly teo aloha, ary dia miezaka manohy ny asa fa tsy kabary nireharehan’ny filoha Tsiranana taloha amin’ny fitsinjovana ny vahoaka amin’ny ankapobeny eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fihariana ary fitsijovana ny sosialim-bahoaka ary dia ny fisaorana ity sekretera nasionaly vao nodimbiasany ity no teny voalohany nataon-dRtoa Bezaza Eliane taorian’ny famindram-pahefana nataon’izy ireo. Homenay mpitantana vaovao sehatra goavana ny mbola hikajiana ny politikan’ny kibo, hoy izy, ary koa ny fitandrovana ny firaisam-pirenena, antony nametrahana ireo mpiandraikitra isam-paritra tamin’ity kongresy ity izany.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT