Nifampiarahaba tamin’ny fahatrarana ny taona 2020 ny tetsy amin’ny Villa Elisabeth Ivandry ny antoko politika UNDD omaly alahady.
Ankoatra izay dia ao anatin’ny fankalazany ny faha-30 taonany izy ireo. Raha tsiahivina dia ny aprily 1989 no nitsangana ny atoko ary ny martsa 1990 no nijoro ara-panjakana. Tonga nanome voninahitra ity fotoana niarahabana ny Ray aman-dreny, Thèrese Zafy sy ny filoha nasionaly Emmanuel Rakotovahiny ity avokoa ny solontena avy any amin’ny faritra 6. Nanambara ny UNDD fa tsy mañana ary tsy manangana fahavalo fa misy foto-kevitra arovana. Anisan’izany ny fandalàna sy ny fanamafisana orina ny demokrasia, ny fampihavanana sy ny fampiraisam-pirenena ary ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy mandà ny fiaraha-miasa amin’ireo izay tsara sitrapo rehetra mba hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Nanambara kosa anefa ny Sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, Manro Régis fa tokony hojeren’ny mpitondra fanjakana maika ity fisondrotam-bidim-piainana tsy mijanona izay mampikaikaika ny vahoaka ity. Raha ny any amin’ny faritra SAVA manokana, hoy izy dia mampalahelo fa midina be ny vidim-bokatra ary na ny vidina lavanila aza dia mitotongana tanteraka nefa ny vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra. Na izany aza dia nanambara ny tenany fa tsy miditra amin’ny fanoherana ny fanjakana satria raha herintaona nitondrana firenena izany dia tsy mbola azo hitsarana ny mpitondra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.