Politique

Antoko politika Tsy mahafehy ny sata mifehy azy…


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Ny politika dia loharano iray maha firenena ny firenena ary miainga amin’ny antoko politika no hahafahana mametraka vina fampandrosoana amin’ny firenena. Mifanohitra amin’izany anefa no misy eto Madagasikara.

 

 Tsy manaraka ny vina ilay mpanangana an’ilay antoko ary matetika ny hananganana antoko politika dia itadiavana seza. Tsy voahaja ny lalàna momba ny fanorenana antoko politika eto Madagasikara ary betsaka ny lesoka. Anisan’ny misongadina ny tsy fahafehezana ny lalàna ampiharina ho an’ny antoko tsirairay amin’ny sata mifehy ny antoko. Tsy voatery eo amin’ny fitondrana na manana fahefana anefa ny antoko iray vao afaka mampandroso ny fiarahamonina sy ny firenena misy azy. Rehefa mijoro ara-panjakana ny antoko iray dia manana andraikitra eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana saingy tsy mbola hita taratra izany eto amintsika. Vitsy ireo antoko politika mijoro manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny lalàna mifehy azy ireo, indrindra ny vina hotanterahiny. Rehefa demokrasia, mila mivonona manara-maso akaiky ny asa ataon’ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny vinany ireo antoko politika sady mampahatsiahy ny mpitondra fa tsy tokony hofitahina ny vahoaka Malagasy raha toa ka misy fihoaram-pefy. Mila manentana ny olom-pirenena hanara-maso ny fanatanterahana ireo fampanantenana natao nandritra ny fampielezan-kevitra ihany koa. Efa hiroso amin’ny fifidianana maro samihafa isika eto Madagasikara ary efa manomboka ny fanomanana fifidianana ho an’ny mpanatanteraka ka hirariana ireo antoko na fikambanana politika mba hanaja ny sata mifehy azy, indrindra hijoro hanohatra izay mety ho tambiny ara-politika tahaka ny hoe fidirana amin’ny rafitra hafa ankoatra ny governemanta.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT