Politique

Antoko Politika Natiora « Filohana antoko fa tsy firenena Rajoelina »


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Betsaka ny azo lazaina mikasika ny raharaham-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho.

 

Ny olana dia betsaka ny miseho ho mahay saingy tsy mijoro. Ny filoham-pirenena izay lany tamin’ny fifidianana dia mampalahelo satria hita amin’ny zavatra ataony fa tsy filoham-pirenena izy fa filohana antoko. Tsy misy fandraisana andraikitra avy amin’ny CENI sy HCC. Ho avy ny fifidianana kaominaly dia mbola mampalahelo fa ny anaran’i Andry Rajoelina ihany no mipetraka eny sy eken’ny CENI. Hay ve, hoy izy, i Andry Nirina Rajoelina, ka mbola milatsaka hofidiana kaominaly rehefa avy nilatsaka ho fidiana solombavambahoaka e ? Izay rehetra ataony dia propagandy. Tsy mahagaga ahy, hoy hatrany izy, fa mbola maka ny fon’olona amin’ny Tana-masoandro eny Ambohitrimanjaka izy. Efa mba nanantena izahay ary tsy resahana intsony ny resaka hala-bato, hoy izy, satria hoe efa nahazo filoham-pirenena. Hay ity filoha ity mbola milatsaka eny amin’ny kaominina. Aminay, hoy hatrany izy, dia tsy misy antenaina amin’izao fitondrana izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT