Politique

Antoko politika Natiora “Aleo ny politika ho an’ny mpanao politika.”


  • Talata 02 Aprily 2019

Ho avy ny fifidianana solombavambahoaka ka dia mahitsy aho miteny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari – Ni – Rencho, fa tsy mandeha amin’izay izy ny fandehany.

 

 

 

 Ny lalana izay napetraka dia mapametra-panontaniana hoe iza no tokony hametra ireo tokony hilatsaka sy tsy hilatsaka ? Ny CENI ve sa ny HCC ? Tokony hofoanana koa, hoy izy, ity mpiasam-panjakana maka fahafahana manokana na “disponibilite” ity satria matihanina amin’ny asany no nametrahany fanjakana azy ireo amin’ny toerany. Tokony hanao ny asa maha mpiasam-panjakana azy ny mpiasam-panjakana. Aleo ny politika ho an’ny mpanao politika. Raha minisitra hilatsaka depiote koa raha tena madio fisainana dia tokony hiala amin’ny toerany tanteraka fa tsy vonjimaika. Tsy misy olona tsy azo soloina izany, hoy hatrany ny tenany. Ekena fa manao ezaka ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny fametrahana fandriampahalemana kanefa any Belo sur Tsiribihina izao misy kaompania manokana ao Menabe maninona no tsy hahetsika ? Vary mora lazaina fa avy amin’ny fanjakana ve dia ny sarin’ny filoham-pirenena no tokony ho eo ? Ho ahy manokana, hoy ity mpanao politika ity, dia efa tsy demokratika sahady ny fifidianana solombavambahoaka satria tsy ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Maro amin’ireo to teny amin’ny vahoaka no tsy afa-milatsaka satria tsy nanana ilay 5 tapitrisa ariary.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT