Amin’ireo antoko politika Malagasy mananika ny 300 isa eto Madagasikara dia tsy mihoatra ny 10 isa no manara-penitra, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Mihari-Ni-Rencho, raha nanazava ny antony hidirany ao anatin’ilay antsoina hoe Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM. Te hitondra fijery vaovao ho an’ny politika eto Madagasikara izahay, hoy ny tenany. Mety hisy hiteny hoe fa ianareo no inona ? Eo no tiana hapetraka hoe ny politika dia mila ideolojia. Ny anay dia mifototra amin’ny maha olona ka rehefa mikasika izay ianao dia maha sarotiny anay. Vina ny maha “centriste” ary politika ilay maha olona. Tsy olona no toherinay fa rafitra, hoy izy, satria voakitikitika io maha olona io. Tsy omena ny Malagasy ny zo fotony toy ny zo hanana trano. Trano misy titra sy baorina dia alain’ny olona. 10 taona ankehitriny ny antoko ary nahita foana fa tsy voahaja io ary antony nanangananay io rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia io satria tsy voahaja ny demokrasia. Tsy voahaja ny maha olona na eo amin’ny lafiny fahasalamana na sosialy na fanabeazana sy ny hafa rehetra, hoy hatrany ity filoha ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.