Tokony hiroso amin’ny fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka mialoha ny fotoana isika eto Madagasikara.
Ela loatra ho an’ny Antoko Politika Madio sy ny 92%-n’ny Malagasy mahantra mantsy ny 2018 izay mangataka am-panajana ny fialan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery amin’ny toerany. Hita taratra rahateo ny tsy fahombiazan’ny mpitantana sy ny tsy fanajan’ny mpitondra ny Lalàmpanorenana tao anatin’ny 2 taona sy tapany. Manjaka ny tsy fandriampahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tsy voafehy ny fisondrotry ny vidim-piainana. Miseho amin’ny endriny maro eto amin’ny tany sy ny firenena ny kolikoly. Lasa tompony mangataka atiny ny vahoaka Malagasy manoloana ny fihetsika tsy voahevitr’ireo vahiny tohanan’ny fitondrana mahefa. Tsy vahaolana ihany koa anefa ny fanonganam-panjakana izay efa niaraha-nahita ny voka-dratsin’izany teto amin’ny tantaram-pirenena. Mahita moa ny APM fa tsy laharam-pahamehana ny fandraisantsika «sommet de la Francophonie». Tokony hitarika ny fitakiana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ny filoham-pirenena ary tsy mila fandaniam-bola ny fankalazana ny 26 jona amin’ity taona ity.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.