Hanova ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara Rakotoarisoa Faniry Alban, fantatry ny maro amin’ny anarana Gangstabab.
Tafatsangana tamim-pomba ofisialy ny sabotsy teo ny fikambanana tarihiny “Antoko Politika Madio” izay notsindriany fa efa nomanina hatramin’ny 19 septambra taona 2015. Tsy azo vidim-bola no sady tsy azo tampenam-bava ireo mpikambana ao aminy manoloana ireo karazana kiana tokony hatao amin’ny fitondram-panjakana. Tsy misy miditra any anaty vilanin’ny vahoaka ny fivarotan’ny fanjakana amin’ny vahiny ny tanin’ny Malagasy, hoy izy. Tsy misy miditra any am-bilanin’ny vahoaka ihany koa ireo karazana fanondranana an-tsokosoko toy ny andramena sy ny sokatra tratra, ny fisian’ireo sambo lehibe manondrana tsy miato ny harem-pirenena. Tsy eken’ny APM ny fisian’ireo rehetra ireo, Malagasy izay tokony hanankarena tokoa noho ny harena mihoapampana ananany saingy terena hampahantraina noho ny fitiavan-tenan’ny sasany. Nanome hafatra manokana ireo vahiny mbola manjakazaka eo amin’ny tanintsika Rakotoarisoa Alban nandritra izany toy ny hoe : aoka izay ny fanararaotana sy ny fanandevozana. Atsaharo ny fakana ny taninay niampy ny hoe : foano tanteraka ny farasisam-panjanahana. Tanjon’ny APM moa ny hanova ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara hanjary ho taratry ny fikambanana hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.