Politique

Antoko politika ABA Hiezaka hametraka ny rafi-mangaikany manerana ny nosy


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Fantatra fa hiezaka hametraka ny rafi-mangaikan’ny antokony manerana ny nosy ny antoko politika ABA manomboka izao ka

 

tamin’ny zoma 7 febroary 2020 dia nisy ny fivoriana naton’ny Birao foiben’ny antoko nandinihana ny hametrahana “Coachs Regionaux” manerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara. Hidina amin’ny fametrahana ny “Coordonateur ABA” eny amin’ny Distrika manerana ny nosy ihany koa izany aorianan’izay ary tsy hijanona, hoy ny Jeneraly Jean Ravelonarivo tetsy Antsakaviro omaly zoma 7 febroary, raha tsy mipaka eny anivon’ny fokontany samihafa izany fametrahana rafitry ny ABA izany. Marihana fa na dia anisan’ireo antoko zandriny indrindra vao niforona tsy ela aza ny ABA dia efa manana olom-boafidy maro izy eny anivon’ny kaomina maromaro manerana ny nosy ka raha variana tamin’ny fiatrehana ny fifidianana nifandimby teto amintsika toy ny rehetra ihany koa tao ho ao dia izao tapakevitra hampitombo ny ambaindain’ny antoko izao ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT