Mitohy ny fampisavorovoroana ny saim-bahoaka ataon’ireo vahiny fahavalom-pirenena, ary manaraka ambokony izany ireo teratany mpitsivalam-pandry amin’ny fiandrianam-pirenena raha mbola hanao ny fanaon`ny mpitondra teo aloha rehetra ny fitondrana vaovao misy.
Raha toa ka mbola ny fianakaviambe iraisam-pirenena no ambadiky ny fanendrena ny Praiministra Ntsay Christian ho lehiben`ny governemanta, araka ny fanehoan-kevitry ny avy amin`ny antoko Otrikafo. Nohamafisin`ny mpitondra tenin`ny antoko, Elia Rabevahiny fa mazava ary hita maso ireny halatra nentina nampandanian’ity praiminisitra ity ny kandidà Andry Rajoelina nandritra ny fifidianana, indrindra ny fihodinana faharoa. Ny antoko Otrikafo dia sarotiny amin`ny fiandrianam-pirenena ary mandà ny fitsabahan`ireo vahiny izay mpanani-bohitra, mpanjakazaka an-tanin’olona, mpangoron-karena, tompon’izao rafi-pandaminana nolovana tamin’ny fitondran-janatany ary nohamafisin’ny fanontoloana izao. I Frantsa no tompo-marika sy mpibaiko ary mpandrindra ny rafitra aty Afrika mainty ary eto Madagasikara. Rafitra manabe voho ny tombontsoan’ny vahiny amin’ny fanihifany ny harem-pirenena fa mampahantra fadiranovana kosa ny vahoaka Malagasy eto amin’ny taniny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.