Politique

Antoko Otrikafo Hanao hetsika hanoherana an’ny Dr Simao


  • Zoma 19 Aogositra 2011

Vao nanomboka nidiran’ny vahiny ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy eto amin’ny firenena no efa nanohitra izany ny antoko Otrikafo.

 Efa in-droa no nilanja sorabaventy tetsy Anosy anoloan’ny hotely Carlton milaza ny tsy fankantoavany ny ny fidiran’ny SADC amin’ny raharaha tokatranon’ny Malagasy ity antoko ity ka nifanindrify hatrany amin’ny fandalovan’ny Dr Leonardo Simao eto an-toerana ny fotoana nanatanterahany izany. Milaza ny mbola hamerina fanintelony izany hetsika fanoherena ny SADC sy Dr Simao ireo mpikambana Otrikafo tarihin’ny filohany Rajaonah Andrianjaka ny alarobia 24 aogositra izao manomboka amin’ny folo ora maraina. “Miteraka fanakorontana hatrany ny fahatongavan’ireo vahiny ireo eto amintsika, izay mbola mampihitsoka ny firenena hatramin’izao satria tsy mahalala, ny tena zava-misy marina eto akory izy ireo”, hoy Rajaonah Andrianjaka. Tsy ny mpanelanelana na koa ny vahiny ihany no nahazo tsikera henjana avy amin’ity farany fa ireo mpanao politika Malagasy rehetra miantehatra amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT