Amin’ny naha taom-pifidianana ny taona 2019 dia taonan’ny fampanantenana ihany koa ho an’ireo olom-boafidy iny taona lasa iny.
Efa saika tafapetraka daholo ny 90%n’ny rafitra eto amin’ny firenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko Otrikafo raha nanao jery todika iny taona nivalona iny. Nafampana, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko politika ity, Elia Rabevahiny, ny taona 2019 ary raha ny fahitana ny fahamaroan’ny fihetsiketsehana namarana ny taona dia hita ho hafampana ihany ity taona 2020 ity. Ny ankamaroan’ny fampanantenana dia saika tsy tanteraka. Ny hirariana dia ho tanteraka izany amin’ity, hoy hatrany ny Otrikafo. Teo ny fahatapahan-jiro sy rano, ny vidin-tsolika, ny raharaha Ambohitrimanjaka. Raha sanatria tsy voavaha amin’ity taona ity moa ireny rehetra ireny dia anjaran’ny vahoaka Malagasy no mijery izay tokony atao amin’ny mpitondra ankehitriny, hoy hatrany ny SG Elia Rabevahiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.