Politique

Antoko OBAMA Hanao kongresy nasionaly voalohany any Toliara ny 13 aprily


  • Alarobia 10 Aprily 2013


 Totoafo ny vovonam-pirenena tamin’ity volana aprily ity. Vao avy nahavita azy ny antokon’ingahy Andry Rajoelina. Ho avy an-dry Manoro Régis ny alakamisy sy zoma izao, harahin’ny any PNJ Mazava ny sabotsy 13 aprily. Ny antoko Olom-baovao Malagasy tarihan’ilay mpisolovava Tinasoa Freddy, fantatry ny maro amin’ny hoe Freddy OBAMA ihany koa dia hanatanteraka kongresy nasionaly voalohany ao Maninday Toliara amin’io sabotsy 13 aprily io. Ny 8 febroary 2011 no niorina ara-panjakana ny antoko. Amin’ity vovonam-pirenena ity no hahafantarana izay kandidà hatolotry ny OBAMA ho filoham-pirenena amin’ny 24 jolay izao. Araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ity antoko ity, Tinasoa Freddy, raha nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny tenany, ny alatsinainy teo, dia «handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy eo ny antoko OBAMA». «Hampiray sy hiaro ny malagasy eo amin’ny famaliana ny hetahetany ka hibanjinana ny fampitoviana lenta fampandrosoana isam-paritra» no tarigetranay, hoy ny Me Freddy.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT