Politique

Antoko Natiora « Vita ny adidin’ny praiminisitra. »


  • Talata 21 Janoary 2020

Araka ny efa nambarako hatrany, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, dia tsy misy antenaiko amin’izao fitondrana izao.

Ny olona indraindray gaga ary manontany hoe fa maninona ianareo no milaza ho “centriste” nefa manohitra ? Rehefa tsy voahaja ny mahaolona ary tsy mitana ny teny nomeny ny mpitondra dia tsy maintsy mijoro ny Natiora. Hitanay ho tomponandraikitra amin’ny toerana misy ny firenena ankehitriny daholo ireo mpitondra nifandimby, ankoatra an’i Philbert Tsiranana, satria tamin’izany mbola frantsay. Namotika ny Malagasy ary nanimba zavatra betsaka, toy ny toetsaina sy ara-tafika ny tetezamita 2009. Nanomboka tsy nisy intsony teo ny fifanajan’ny mpianatra sy mpanabe, hoy hatrany ny Natiora. Tsy misy lesona halain’ny mpitondra satria vazaha no nametraka azy ireo teo. Jereo ny tantara mikasika ny fomba nahatongavan’ireo teo. Tsy hitondra fiovana ho an’ny vahoaka ny fahavitan’ny fifidianana ben’ny tanàna, raha ny fahitan’ity antoko ity azy. Eo amin’ny lafiny ara-politika sy fitantanana raharaham-panjakana dia nahavita ny adidiny ny praiminisitra Ntsay Christian, hoy ny filohan’ny Natiora. Izay no adidiny teo nanomboka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena saingy tsy azo adinoina fa tsy nilamina izay fifidianana izay, hoy izy, ary tsy mbola hilamina koa ny eto. Io izao ny IEM, nofinofy fotsiny no hita tao anaty herintaona ary izaho mino fa tsy hisy vita koa ny 2 taona. Ilaina ihany ny mba manome lesona mametra-pialana rehefa tsy mahavita, hoy hatrany ny antoko Natiora.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT