Nampahafantarin’ireo antoko 5 dia ny OBAMA, MIAMI Madagasikara, DHD Madagasikara, Avotra ho an’ny firenena ary ny Green Gasikara, notarihan’ny filohany avy tetsy amin’ny foibe toeran’ny DHD Madagascar etsy amin’ny 67 ha omaly ny firafitry ny antoko mpanohitra mitsangana ara-dalàna hatreto ary efa nanatitra ny antontan-taratasin’izy ireo teny amin’ny ministeran’ny Ati-tany sy teny amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ity herinandro ity.
Nifanarahan’izy ireo fa hatao filoha Atoa Tianasao Freddy (OBAMA) ary nifampizaran’ny rehetra kosa ny andraikitra sasany. Izahay antoko 5 ireo aloha hatreto, hoy Atoa Harinaivo Rasamoelina (DHD Madagasikara) Sekretera jeneraly sady mpitondra-tenin’ity vondron’ny mpanohitra ity no tena ara-dalàna nametraka taratasy teny amin’ny ministera ary efa miara-midinika amin’izy ireo amin’ny famoahana ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny antoko mpanohitra eto amintsika. Tsy ho entina amin’ny fientanam-po ny fanaovana politika, hoy izy, fa tsy araka ny izy ny foto-kevitra hitondrana ny firenena ankehitriny. Tsy ho mpanohitra bontolo anefa izahay, nefa koa tsy manaraka am-bokony amin’ny tsy mety eto amin’ny firenena ka hijoro mandrakariva ho arofanina araka ny efa nataon’ny tsirairay taminay avy teo aloha. Tsy mikatona amin’izay antoko mbola tapa-kevitra ny hanatevin-daharana izahay, indrindra ireo manangana fivoriana etsy sy eroa fa ny firaisankina no hery. Nambaran’Atoa Harinaivo Rasamoelina fa fitakiam-bahoaka ny fampihavanam-pirenena ka tsy maintsy tanterahina. Alefao raha vitanareo mpitondra ankehitriny rehefa tsy vitanareo dia manana soson-kevitra efa vonona ny antoko mpanohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.