Hivondrona ireo antoko mpanohitra ny fitondrana ato ho ato, raha ny fanazavan’ny filohan’ny antoko MCDM, mba hanoherana ny zava-misy ankehitriny.
Tsy fanoherana “halako bika tsy tiako tarehy” akory izy fa fanoherana ho amin’ny fampandrosoana sy ny tombontsoan’ny Malagasy ary ho amin’ny fanovana ifotony an’i Madagasikara. Tanjona fototra amin’izy ity ny hahatafapetraka ny antsoina hoe “alternance démocratique” na ny fitondrana mifototra amin’ny teny hierana amin’ny vahoaka. Hampahafantarina tsy ho ela moa raha ny vaovao azo avy eo anivon’ny MCDM ny mikasika ny antsipiriany amin’ity vondrona politika vaovao ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.