Raikitra indray ny ady seza eo amin’ireo mpanao politika sy vondron’antoko izay samy milaza azy fa mpanohitra eto amintsika.
Voasoratra anarana eny amin’ny minisiteran’ny Atitany nanomboka omaly ny vondron’ny antoko mpanohitra tarihan-dramatoa Lalatiana Ravalolomanana izay nambarany fa ivondronana antoko politika 10. Ny alakamisy 5 jona lasa teo anefa dia efa nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny 67 ha ny vondron’ny antoko mpanohitra tarihan’atoa Tinasoa Freddy, miara-dalana aminy ao anatin’izany Atoa Harinaivo Rasamoelina mpitarika ny antoko DHD, izay nanitrikitrika fa izay te ho mpanohitra dia miditra mpikambana fotsiny ao anatin’ity vovonana ity fa tsy misy azo atao intsony. Nampiaka-peo taorian’izay ry Lalatiana Ravololomanana sy ny ekipany dia io nihazakazaka nanatitra antontan-taratasy teny amin’ny minisiteran’ny atitany io. Mibaribary indray izao fa tena tsy mbola matotra ny mpanao politika malagasy ary na mpitondra na mpanohitra dia hita fa tena mbola tia seza sy voninahitra. Ahoana moa izao no hisian’ny antoko mpanohitra matanjaka eto raha toa ka eo am-pandrafetana azy dia efa misavoritaka sahady ireo milaza azy fa mpanohitra ? Amin’izay indray dia tsy manana olom-boafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena akory ny ankamaroan’ireto antoko milaza azy fa mpanohitra ireto. Hiverina indray ve izany ny fanoherana eny an-dalambe, dia ho avy ny herisetra sy ny savorovoro ? F’angaha moa tsy hoe efa ovaina amin’izay ny fomba fanaovana politika eto fa tsy resaka ady seza sy fifanonganana intsony e ? Mazava ho azy fa mahazo aina ary afaka manao izay tiany ny mpitondra rehefa tsy mahay mifanaraka, miady an-trano ary marefo ny mpanohitra. Sa kosa efa raikitra indray ny sinema ka mody manao mpanohitra ny sasany kanefa manohana fanjakana ihany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.