Politique

Antoko Monima Tsy maintsy saziana ireo mpanao ratsy


  • Alatsinainy 04 Jolay 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny antoko Monima ka nanao fanambarana ampahibemaso ny faran’ny herinandro teo notaterin’ny filoha nasionaliny, Atoa Monja Roindefo Zafitsimivalo,

 

 fa manameloka tanteraka ny famonoan’olona tsy manan-tsiny izay niseho tany Beroroha Toliara ny talata 21 jona teo ary tetsy Mahamasina Antananarivo ny alahady 26 jona ihany koa na inona antony na inona ary na iza nanao izany na iza. Maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy havana noho ny herisetra tsy hay lazaina ary tsy azo leferina izahay, hoy ity filohan’ny Monima ity nanohy ny teniny ary mba ahatsapana fa misy  tokoa ny ezaka hanangana fanjakana tan-dalàna eto amin’ny firenena, dia milaza izahay fa adidin’ny fanjakana tanteraka ny miantoka ny lany rehetra tamin’ny fandevenana ireo namoy ny ainy tamin’izany sy ny miantoka manontolo ny lany amin’ny fitsaboana ireo naratra. Rariny koa, hoy ny Monima, raha mandoa onitra amin’ireo niharam-pahavoazana rehetra sy ny fianakaviany ny mpitondra noho ny tsy fahalavorarian’ny fandriampahalemana.

Izahay Monima dia manambara ho ren-tany ho ren-danitra, hoy Atoa Monja roindefo, mba hisian’ny filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena dia takian’ny tany tan-dalàna ny tsy hisian’ny tsy maty manota intsony. Koa tsy ho ekena mihisy raha sanatria mba tsy hisy tohiny tahaka ireo raharaha nahafatesan’olona taloha, ny fikarohana sy fanenjehana ireo mpamono sy nampamono olona tany Beroroha sy tetsy Mahamasina.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT