Politique

ANTOKO MMM Mety ho mpifanadrina amin’ny Filoha…


  • Talata 24 Desambra 2019

Tsy mitsahatra mametraka ny olony amin’ny faritra maro ny antoko MMM ankehitriny.

 

 

 

 

 

Midika izany fa  efa miomana amin’ny fifidianana afaka dimy taona ihany koa ny filohany izay mety ho mpifanandrina amin-dRajoelina tena  matanjaka ary tsy hampoizina. Vakiana fotsiny ny fihetsika hataon’ny filohany ankehitriny izay marihina fa anisan’ny olona tena atokisan’ny filoha. Nandeha iny ny fifidianana Ben’ny tanàna, nanosika mafy ny kandidàny izy, izay nifaninana tamin’ny kandidà natolotry ny IRK. Maro tamin’ireo kaominina eto Madagasikara no resin’ny antoko MMM ny kandidà IRK. Manginy fotsiny ny fanendrena ny olon’ny antoko any anivon’ny minisitera isan-tsokajiny any. Fantatra koa izao fa miady fo aman’aina ny antoko mampiditra ny olony hanana toerana ho governora. Tena ilaina io toerana io ho an’ireo antoko nahazo Ben’ny tanàna maro mba hanohana azy ireny. Araka ny loharanom-baovao azo dia  solombavambahoaka iray lany tamin’ny anaran’ny antoko MMM koa no  manao ny ainy tsy ho zavatra hanosika Jeneraly iray eo amin’ny toeran’ny governoran’ny Faritra Analanjirofo. Fantatra anefa fa ity Jeneraly ity dia olon’ny HVM  ary efa nampitondra faisana ny mpanara-dia ny antoko MAPAR fony izy nitana andraikitra tao amin’ny Faritra Atsinanana. Toa midika izany fa ny olona akaiky an-dRajoelina ihany no hanipy hoditr’akondro hampianjera azy.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT