Ady amin’ny farasisan’ny fanjanahantany no faneva natsangan’ny MFM ho an’ny vahoaka malagasy, tamin’ny 1972 niforonany.
Tsy mitsahatra miasa ho amin’izany ity antoko ity satria mbola mitatao eo ambonin’ny lohan’ny Malagasy hatramin’izao ny asa maizin’ny Frantsafrika sy ny zaza navelan’ny mpanjanatany. Ho feno 40 taona amin’ny 27 desambra 2012 ny antoko MFM, noforonin’i Manandafy Rakotonirina, izay mbola tarihiny hatramin’izao. Hanamarika izany voalohany ny MFM Analamanga rahampitso sabotsy ao amin’ny CNEAGR Nanisana. Tahaka ny antoko rehetra niainga avy amin’ny vahoaka, dia niaka-nidina ny fiainan’ny MFM. Nisy fotoana niandrandran’ny vahoaka azy fatratra, nisy ny nampihifika ny vahoaka taminy. Nahafantarana ny MFM indrindra, ny herimpo sy fahafoizantenan’ny mpikatroka ao aminy. Antoko mitsinjo tanjona ny MFM araka ny fanazavana ary miorim-paka amin’ny fanadihadiana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena sy ny fandehan-draharaha eran-tany. Madagasikara, ny démocratisation-famahoahana ny fampianarana, hanofanana manampahaizana malagasy maro, mba tsy ho ny teknisianina frantsay no hibahana amin’ny familiana ny fiainam-pirenena, ny nandraisana ho fananam-pirenena an’ireo harena nahoron’ny mpanjanatany, ny fanomezana ny tany nahoron’ny voanjo, ho an’ny tantsaha malagasy tsy manan-tany toy ny tany Antsihanaka sy Mananjary dia anisan’ny nifotorany.
Faneva natsangan’ny MFM koa, mba tsy hahafaty an-kazo tokana ny firenena amin’i Lafrantsa, ny fikarohana lalam-bola sy lalam-barotra vaovao hitrandrahana ny harembem-pirenena. Lalana tsy maintsy nodiavina tamin’izany ny fampifandraisana ny fihariam-pirenena amin’ny lalam-bola manara-penitra toy ny FMI sy Banky Iraisampirenena, ny famoronana lalam-barotra any amin’ny firenen-kafa, ankoatra an’i Lafrantsa. Nitaky fanitsiana ny fiainana politika izany ka tamin’ny 1991 dia nitari-dalana hanorenam-pototra ny demôkrasia ny MFM, niaraka tamin’ny Hery Velona rehetra, teo ambany fitarihan’ny FFKM. Nisy ny dingana vita. Fa mbola ady atrehan’ny firenena mandrak’ankehitriny izany, ary tsy nitsahatra niasa ho amin’izany ny MFM nandritra ny Repoblika faha-III.
Dingana lehibe vita tamin’izany, ny fametrahana ny Faritra ho fari-pitondrana ny tany sy ny fanjakana. Azon-tsampona ny fanamafisana orina ny demokrasia, noho ny ota fady lehibe tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, nataon’ny Taranak’i Galliéni Vaovao sy ny Frantsafrika. Anaty ady mahamay ny firenena ankehitriny ary mandray anjara feno amin’izany ny MFM. Tsy vitan’ny mitsinjo tanjona ny MFM fa mitsinjo ny hoavy koa. Nanehoany izany nandritra 40 taona nisiany, ny fifantohana manokana amin’ny tanora nandritra ny fotoana nametrahana ny démocratisation-famahoahana ny fampianarana, indrindra teny amin’ny ambaratonga ambony. Mbola ahalalana ny MFM mandrak’izao ilay programa lehibe napetrak’i Manandafy tamin’ny 1989 hoe “lalam-bola vaovao, lalam-barotra vaovao, asa 2 hetsy isan-taona (ho an’ny tanora)”. Tolona am-batolampy izao atrehan’ny firenena izao. Manana ny herimpo sy traikefa iatrehana an’izany ny MFM 40 taona, miaraka amin’ireo tanora mitondra aina vao. Fiainam-pirenena no tsinjovina ary ny diavolan-ko lava, ny kilalao mbola ho ela.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.