Politique

Antoko MFM Mitaky tetezamita vaovao


  • Talata 19 Jona 2012

Mandroso sosokevitra vaovao hivoahana amin’ny krizy ny antoko MFM.

 Mitazona ireo fehin-kevitra lehibe tapaka tany Maputo sy ny dingana vita tamin’ny fanelanelanan’ny vondrona iraisam-pirenena io sosokeviny no mitaky koa ny fanavaozana ireo rafitry ny tetezamita ankehitriny. Fananganana tetezamita ankatoavin’ny Malagasy sy ny vondrona iraisam-pirenena izay arahan’izy 4 mirahalahy (filoha telo teo aloha sy ny filohan’ny FAT) mitondra no teboka voalohany amin’izany. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MFM fa araka ny toromariky ny SADC dia miresaka aloha ny filoha Ravalomanana sy ny filoha Rajoelina saingy tsy azo ariana na odian-tsy hita ny filoha Zafy sy Ratsiraka. «Izy efa-dahy ireo no manangana ny Parlemanta izay hamolavola ny lalàmpanorenana vaovao miaraka amin’ny FFKM. Ny Parlemanta kosa no manendry ny praiminisitra izay omena ny fahefana feno. Andraikitr’ity farany tanteraka no mikarakara ny fifidianana madio, mangarahara ary azo itokisana», hoy i Manandafy Rakotonirina. Nohazavain’i Koto koa fa tsy azo ihodivirana ny fiaraha-miasa amin’ny FFKM amin’ny fanatanterahana ireo dingana voalaza teo ireo amin’ny maha hany fikambanana mahasahana an’i Madagasikara azy.

Eo koa ny anjara andraikitra lehibe noraisiny ara-tantara tamin’ny fanafoanana ny fanandevozana teto amintsika. “Asa izay mbola tohizany hatramin’izao vanim-potoana izao amin’ny alalan’ny fanitsiany ny fitondrantena tsy mety amin’ny fomba malefaka”, araka ny fanazavan’i Manandafy hatrany. Nolazainy fa tsy mifanohitra velively amin’ny tondrozotra ny sosokevitry ny MFM satria ireo nanao sonia iny fifanarahana efa lasa lalàna iny ihany no hitondra ao anatin’ny Parlemanta. Na dia amin’ny anaran’ny antoko MFM aza no nanaovana ny fanambarana dia nilaza ity CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity fa efa nifampiresahana tamin’ny filoha Ravalomanana io sosokevitra io. Nametraka fepetra amin’ny fiatrehany ny matso eny amin’ny Kianjan’i Mahamasina koa ireo mpikambana MFM. Nanamafy ry zareo fa tsy hanatrika eny izy ireo amin’ny 26 jona izao raha tsy manasa an-dRavalomanana ho eny Rajoelina.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT