Handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena ny antoko MFM.
Tafiditra ao anatin’izany ny sefom-pokontany raha misy izay irian’izy ireo fatratra ny hifidianana azy ireny, ny Ben’ny tanàna, ny lehiben’ny faritra, ny solombavambahoaka…Ho an’ity antoko ity mantsy dia tokana ihany ny lalana hahafahana mahazo fahefana dia amin’ny alalan’ny fifidianana, antony tsy nankasitrahan’izy ireo ny fanonganam-panjakana niseho teto amintsika ny taona 2009. Nanatanteraka filankevi-paritra ny antoko MFM eto amin’ny Faritra Analamanga ny sabotsy teo. Tetsy amin’ny ENS Ampefiloha no nanatanterahana izany notarihin’ny sekretera jeneralin’ny antoko Rakotovazaha Olivier no sady loholon’i Madagasikara. Anton’ny fivoriana ny mba hahafahana mandamina ny ao anatin’ny antoko hametrahana tompon’andraikitra hikarakara ny distrika tsirairay avy manerana ny Faritra Analamanga izay hanomana avy hatrany ny fifidianana ankoatra ny famoriana ireo mpitarika. Distrika miisa fito no voakasika ankoatra an’Antananarivo Renivohitra toy ny distrikan’Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Ankazobe, Manjakandriana…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.