Antoko MFM

> Nanamafy ny fifamatorany amin’ny kandida Jean Louis Robinson


  • Sabotsy 21 Septambra 2013

Hifarana anio ny Vovonana na ny filan-kevim-pirenen’ny Antoko MFM natao tao amin’ny Live Hotel Andavamamba Antananarivo rehefa naharitra hateloana. Zava-dehibe nodinihana tao ny mikasika ny fifidianana izay hatrehin’ny firenena ato ho ato.

Amin’ny maha mpikambana feno ny antoko ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy mivaona amin’izay fomba fijery izay ny Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara, hoy Rakotovazaha Olivier, Sekretera jeneralin’ity antoko anisan’ny zokiny eto Madagasikara ity. Araka izany dia nanapa-kevitra ny hanohana ny Kandida Robinson Jean Louis miaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ ny 25 Oktobra 2013 ho avy izao ny Vovonana. Manainga ny Mpikambana sy ny ambaratonga MFM rehetra manerana ny Faritra 22 eto Madagasikara ny Vovonana mba handray andraikitra mifanandrify amin’izany. Vahiny manokan’ity antoko ity ny kandida Jean Louis Robinson omaly hariva. Lojikan’ny fanohanan’ny ankolafy Ravalomanana azy izao fifanatonana izao. Nanamafy izay fifamatorana amin’ny kandida Jean Louis Robinson izay rahateo ny MFM. Manoloana izay ny Vovonana MFM dia mampirisika ny Kandidà Dokotera Robinson hanao vaindohan-draharaha ny famerenana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana miaraka amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana Marc, ny fampiasana ny volam-panjakana hanomezana anjara sahaza mba hamapndrosoana haingana ny isam-paritra, ny fametrahana ny demokrasia sy ny fahalalahana tsy manavakavaka, ny famoronana asa ho an’ny tanora sy famatsiam-bola ireo fananganan-javatra hisondrotan’ny mpandraharaha ary ny fitondrana maha masi-mandidy ny Firenena Malagasy eto amin’ny taniny sy ny hareny.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT