Antoko MDM

> Nankasitraka ny CES


  • Zoma 23 Aogositra 2013


Naneho ny fankasitrahany ny fanapahan-kevitry ny CES nanilika kandida valo be izao amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny MDM na ny Mientana ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara, tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo. Ity farany rahateo na kandida aza dia anisan’ireo nametraka fitoriana teny amin’ny CES nitaky ny hanilihana ireo kandida tondroin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy ara-dalàna. Amin’ny MDM dia tokony hoekena sy hohajaina iny fanapahan-kevitra iny. Ankoatra izay dia manantena ny hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity izy. Efa mahantra loatra ny Malagasy ary mitotongana ny toekarena ka tsy tokony hangatahan'andro intsony ny fanatanterahana fifidianana, hoy ny MDM ary nanao antso mba hifanomezan’ny rehetra tanana mba hahatontosana izany ny tenany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT