Tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nahafaty an’Atoa Laha Gaston, mpikambana tao amin’ny Haute Autorité de l’Etat maty voatifitra tamin’ny 31 martsa 1992 teny Soanierana Atoa Ramaroson Alain,
filohan’ny antoko Masters ary anisan’ny mpitarika ny Hery velona Rasalama tamin’izany. Tonga teny an-toerana ihany koa i Tsimiondra Thomas avy amin’ny antoko Monima izay nisy an’Atoa Gaston Laha sy Tabera Randriamanantsoa, minisitry ny Asa sy ny Lalàna Sosialy teo aloha izay anisan’ny mpandala ny foto-kevitra federalisma. Tsiahivina fa saika hitondra fehin-kevitra momba ny fanohanana ny foto-kevitra federalisma niaraka tamin’ireo mpandala izany no dian’Atoa Gaston Laha teny Soanierana izay toerana nanatontosana ny dinika famoahana an’i Madagasikara tamin’ny krizy politika tamin’ny taona 1992 no voatifitry ny mpitandro ny filaminana ka izay no nahafaty azy, izy izay nitarika delegasionina hanolotra ny volavolan-dalampanorenana momba ny federalisma mba hodinihan’ireo mpizaika teny Soanierana. Voatifitra tamin’izany fotoana izany ihany koa Atoa Monja Jaona ary naiditra hopitaly noho ny ratra nahazo azy tamin’ny tongony. Ireo zanak’Atoa Gaston Laha kosa dia niangavy ny mba hampidirana ny datin’ny 31 martsa ho daty manan-tantara eto amin’ny fiainan’ny firenena ho fahatsiarovana ny ezaka ara-politika nataon’ity ray aman-dreny ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.