Politique

Antoko MAMAFISOA Miantso ny hanajana sy ny hanatanterahana ny tondrozotra


  • Talata 20 Septambra 2011


 Miantso ireo herivelona rehetra (miaramila, fiarahamonim-pirenena, mpanao politika, mpitondra fivavahana, …) ny antoko MAMAFISOA (Malagasy Mandroso ao anatin’ny Fihavanana sy ny Soatoavina), tarihin’Atoa Rajemison Rakotomaharo, mba hifanome tanana amin’ny fanajana sy ny fanatanterahana ny tondrozotra voasonia farany teo ao anatin’ny firahalahiana tanteraka. Mijoro amin’ny fotokevitra «Fihavanana sy soatoavina Malagasy» ny MAMAFISOA, izay anisan’ireo antoko elanelam-panahy, ary saropiaro amin’izany. Raha nanao ny zaikabe nasionaliny ity antoko ity ny 22 jolay 2011 dia nanao antso avo tamin’ny hery velona rehetra Atoa Rajemison Rakotomaharo, filohany, mba hiray hina hivoahana amin’ny krizy fa voatohintohina ny fiandrianam-pirenena. Azo lazaina fa tsy nanao antso an’efitra izy, fa nisy mpihaino, ka nahatongavan’ny Troika taty an-toerana nanelanelana ary nampifanatona ireo mpanao politika izay nifanandrina, ka nahatongavana tamin’ny fifanarahana izay nomarihina tamin’ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT