Politique

Antoko Maitso «Tsy governemantan’ny firaisam-pirenena io»


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Henjana ny fanehoan-kevitry ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara manoloana ny raharaham-pirenena sy ny fitsanganan’ny governemanta Beriziky.

 Nisy ny fanambarana navoakany izay milaza fa tsy governemantan’ny firaisam-pirenana io satria tsy ny vondrona rehetra no manana solontena. Mampitandrina ny Hasin’i Madagasikara mba tsy ho fampanantenana fotsiny intsony tahaka ny efa natao hatrizay ny fidradrana ny fanjakana tsara tantana anefa ny fandrobana ny vatosoa sy volamena, ny fanondranana «bois de rose» sy ny fandrobana ataon’ny dahalo ambony latabatra mandeha hatrany. Mitaky ny fampitsaharana ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny fitaovam-panjakana amin’ny fanitarana ny ambaindanin’ny antokony avy izay mety hataon’ireo minisitra koa Rtoa Saraha Georget. Ity filohan’ny Maitso ity izay nanamarika fa solontenan’antoko sy fikambanana politika avokoa ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta Beriziky ireo.

Miantso ny teknisianina tsy ankanavaka koa ny tenany tsy hanaiky ny tsindry mety hataon’ireo minisitra vaovao. «Aoka ianareo teknisianina tsy hilefitra amin’ny fandrahonana ataon’ny mpanao politika fa mijoro amin’ny fampiharana ny lalàna», hoy izy. Manainga ny tafika tsy ho sakana amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra fa ho arofanina koa ry zareo. Nitodika tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny Maitso izay nametraka azy ireo ho tomponandraikitra feno amin’ny fanatontosana fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra amin’ny taona 2012. Mba hahalavorary izany dia mihevitra ny antoko Maitso fa tokony soloina administatera sivily avokoa ireo Lehiben’ny Faritra 22 fa tsy atao olona tendritendrena araka ny zava-misy amin’izao fotoana. Izay no antoka hampizotra tsara ny fifidianana araka ny fanampim-panazavana nomen’i Saraha Georget Rabeharisoa. Ankoatra izay dia tokony hohalavaina koa ny fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna hiala amin’ny fanendrena PDS izay tsy lanim-bahoaka akory.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT