Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso Atoa Georget Marie Alexandre.
Nambarany fa na efa fantatra aza fa amin’ny volana novambra na desambra amin’ity taona ity no hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena dia tokony havoakan’ny fanjakana haingana ny daty mazava sy marina hanatanterahana azy. Ny hahafahan’ny olona miomana no tanjona satria tsy tokony hisy eto amin’ny tany sy ny firenena intsony ny fifidianana olona tsy manana fandaharan’asa mazava. Ho an’ny antoko Maitso manokana izay mivondrona ao anatin’ny ARMADA dia fantatra fa efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana izy ireo. Antoko miisa dimy, raha tsiahivina izy ireo no mivondrona ao anatin’io fikambanana io ka izay iray voafidy amin’izy dimy mirahalahy mpitarika ny antoko isanisany avy no halatsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Anisan’ireny Atoa Geirget Marie Alexandre izay nanambara fa efa manana kahie iray mihitsy ny tenany momba ny fandaharan’asa mazava entina hampandrosoana sy hitantanana an’i Madagasikara fa tsy mijanona ho taratasy tokana toy ny an’ny sasany fotsiny na tsy misy mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.