Politique

Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara Ny fifidianana ihany no lalana


  • Alarobia 02 Mey 2012


 Eo anatrehan'ireo trangan-javatra rehetra niseho tato ho ato izay tsy ahitana intsony ny fetra mampisaraka ny fahafahana maneho hevitra malalaka amin'ny fandraisana andraikitra hitandrovana ny filaminana, ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara dia manamafy hatrany fa tsy misy fanehoan-kevitra tsara indrindra ankoatra ny fifidianana izay lalan-tokana mamela ny tsirairay haneho ny safidiny amin'ny maha Malagasy tompon'andraikitra feno azy. Manainga ny tompon'andraikitra rehetra misahana ny fifidianana ny Maitso hitarika sy hanabe ny vahoaka amin'ny alalan'ireo lalàna vaovao mifehy ny fifidianana, toy ny lalàna mifehy ny CENIT, ny lalàm-pifidianana, ny lalàna mifehy ny antoko politika, ny lalàna mifehy ny etika sy ny fitondran-tenan’ny mpanao politika... Miandry koa ny antoko Maitso Hasin'i Madagasikara ny fotoana hiantsoan'ny CENIT ireo antoko politika manana kandidà amin'ny fifidianana isan'ambaratonga araka izay voalaza ao amin'ny lalàna mifehy ny CENIT.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT