Miandrandra fomba fiasa madio sy mangarahara amin’ny fampiharana ny lalàna tsy an-tery avy amin’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny CES ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Ho tompon’andraikitra feno amin’ny fanapahan-kevitra ho raisiny izy ireo amin’ny fandinihany ny antotan-taratasin’ireo kandidà hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena. Hentitra kosa ny filoha nasionalin’ny Maitso, Rabeharisoa Saraha Georget raha nilaza fa tokony hasiana sivana ireo kandidà izay voarohirohy amin’ny raharaham-pitsaràna na tsy manara-dalàna ka tsy ho isan’ireo anarana hankatoavin’ny CES. Nanamafy hatrany ny fahavononany hiatrika ny fifidianana rehetra hiseho eto amin’ny firenena ihany koa ny Antoko Maitso, n’inona n’inona mitranga eto, ka porofon’izany hoy izy ny fahamaroan’ireo kandidà avy amin’izy ireo mirotsaka ho fidiana solombavam-bahoaka, satria raha toa ka 150 no voafaritry ny lalàna dia 130 ny kandidàn’ny antoko Maitso.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.