Milofo mafy amin’ny resaka sosialy ny antoko Maitso, indrindra ao anatin’ny fankalazany ny faha-3 taona niorenany.
Samy manatanteraka hetsika fanampiana ny daholobe, indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana ireo sampany. Rehefa vita ny tany Vakinankaratra sy ny Kaominina manodidina ny renivohitra dia miditra amin’ireo Fokontany eto anivon’Antananarivo indray ny Maitso, efa roa herinandro izao. Nisy ny fanaovana didifoitra faobe teny anivon'ny Fokontany Antsalovana Antohomadinika Miray (FAAMI) tamin’ny zoma sy sabotsy heriny ary notohizana teny Ambolokandrina, Ankatso, Ankatso 2, Antsahamamy ary Andranovory (5A) indray izany ny sabotsy teo ka zazalahy miisa 87 no vita hasoavana izay tsy nanavahana saranga na koa firehana politika. Natolotry ny birao foibe tamin’io fotoana io koa ireo mpitantana ny Maitso eo anivon'ireo Fokontany ireo.
Ho an’ny antoko politika dia pi-maso hambaboana ny fon’ny vahoaka mpifidy ny fanatontosana hetsika mahakasika azy mivantana toy izao na dia tsy ambara mivantana aza. Efa miomana tanteraka amin’ny fifidianana, araka izany, ity antoko tarihan-dramatoa Saraha Georget ity. Nanamafy rahateo ny solontenan’ny birao foibe, ny Dr Ratafika Dimby fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny Maitso manomboka amin'ny fifidianana filoham-pirenena hatreny anivon’ny Fokontany. Nambarany koa fa ny fifidianana madio, mangarahara, tsara tantana ary malalaka ihany no lalana ivoahan’ny Malagasy amin'izao krizy izao izay efa miantraika lalina amin'ny ain'ny firenena sy ny andavanandron'ny Malagasy tsy mandady harona. Tsy nohadinoiny koa ny namelabelatra ny politika fampandrosoana entin'ny antoko izay mametraka laharampahamehana ny fampandrosoana miainga ifotony sy mametraka koa ny olom-pirenena ho ivon'ny fampandrosoana, ho tompo-marika sy mpandray anjara feno amin'izany fampandrosoana izany sady migoka ny tombony sy ny vokatra aterany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.