Politique

Antoko Madagasikara AFaka Tsy ho mpanohitra fanjakana izany velively


  • Talata 24 Jona 2014

Na dia tsy manana solombavambahoaka aza ny antoko MAF (Madagasikara AFaka) tarihako, hoy i Me Avoko Rakotoarijaona, tamin’ireo olona 22 natolotra manerana an’i Madagasikara dia tsy kivy ary tsy ho anisan’ireo ho mpanohitra mihitsy fa dia efa ao anatin’ny fandrafetana stratejia hiatrehana ny fifidianana kaominaly indray ankehitriny.

Farafaharatsiny, hoy izy, ireo tanàna be mpikatroka Kung Fu manerana ny Nosy no tsy maintsy handrotsahanay kandidà amin’izany. Efa manomana sahady ny ho fitantanana ny politikan’i Madagasikara atsy ho atsy ny antoko MAF, hoy ity olom-pirenena manana andraikitra maro lafy ity. Raha ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankapobeny aloha ny fijerinay MAF azy dia tsy hisy tombontsoany amin’izao fotoana izao no andeha hambolena krizy vaovao indray eto amin’ny firenena fa avela aloha hiasa ny mpitondra fa raha dimy na enim-bolana tsy mbola hatarafana inona be loatra fa hita fa manao izy ireo aloha dia avelao hiasa fa ho hita eo ny manaraka. Izahay dia milaza etoana fa hisy dingana lehibe hampahafantarinay amin’io taona 2015 hitsidika io eo amin’ny raharaha Kung Fu 1985 fa be ny mbola velona amin’ireo tompon’andraikitra tamin’izany ary ny taranaka koa mila mahafantatra ny tantara marina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT