Politique

Antoko Leader Fanilo Rabesa Zafera Antoine no filoha vaovao


  • Sabotsy 23 Jolay 2016

Nampihatra ny andininy faha-6 tapany faha-4 ao amin’ny sata mifehy ny antoko nanomboka tamin’ny taona 1992 niorenan’ny «Libéralisme Economique et Action DEmocratique pour la Reconstitution Fanilo»

ireo mpikambana tonga teny amin’ny hotely Panorama Andrainarivo nanomboka omaly. Tsy mbola naharay ny didim-pitsarana rahateo ireto farany ka izao niatrika ny filankevitra nasionaly efa tinapaka tamin’ny 22 jona 2016 izao, araka ny fanazavana teny an-toerana. Voalazan’ity andinin’ny lalàna fototry ny antoko Leader Fanilo ity ny fampiatoana amin’ny asany ny birao nasionaly mpandrindra nanao fahadisoana bevava rehefa nisy  ny fitarainana avy amin’ireo mambra manerana ny faritra nivory ny 17 novambra 2015. Nijoro taorin’izay ilay komity mpihevi-draharaha nampahafantatra ny tranga tamin’ny sekretera jeneraly nasionaly. Nandray ny andraikiny ihany koa amin’ny maha komitim-pifehezana azy, araka ny voalazan’io andininy io ihany. Nitantana ny antoko ireo mpikambana mpanorina niaraka tamin’ny sekretera teknika izay nanao ny fampandehanan-draharaha vonjy maika. Niroso tamin’ny fifidianana izay mpitantana vaovao ny antoko Leader Fanilo moa ireo mpikambana. Voafidy filoha nasionaly vaovao ny profesora Rabesa Zafera Antoine. Filoha lefitra kosa Randrianambinina Alphonse ary sekretera nasionaly Mahanosindrahaja Heriniaina na “Babala”. Kandida natolotr’i Harilaza Razafimahaleo avokoa ireto mambra ny birao vao lany ireto.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT