Politique

Antoko Leader Fanilo Misisika ny hirosoana amin'ny fifidianana solombavambahoaka


  • Zoma 26 Jolay 2013

Ny firosoana amin'ny fifidianana ihany no vahaolana notsindrian'ny antoko Leader Fanilo fa hahafahana mivoaka amin'izao krizy lalovan'ny firenena izao.

Ny fifidianana solombavambahoaka anefa no nambaran'izy ireo fa mety amin'izany fa tsy ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izay hizirizirian'ny maro amin'izao fotoana. Raha ny fifidianana solombavambahoaka mantsy no tanteraka dia mora ho azy, hoy ity antoko ity ny manangana ireo andrimpanjakana samihafa ka any amin'ny farany vao azo tanterahina ny fifidianana filoham-pirenena no sady tombony iray ho an'ny vahoaka koa izany hahafahan'izy ireo maneho ny safidiny.

Efa tamin'ny taona 2009 no nanambara izany ny antoko Leader Fanilo raha araka ny fanazavan-dRakotomamonjy Jean Max, filoha nasionalin’ny antoko no sady minisitry ny fizahantany. Môdely nolovain'izy ireo tamin'Itompokolahy Herizo Razafimahaleo, filoha mpanorina ny antoko araka ny nambarany ny famakiana bantsilana ny tsy mety eto amin'ny firenena sy ny fanomezana vahaolana mifandraika amin'izany. Nandritra ny fahatsiarovana ny nahafatesan'Itompokolahy omaly 25 Jolay moa no nanaovan'izy ireo izany fanambarana izany tetsy amin'ny hotel Carlton Anosy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT