Politique

Antoko Leader Fanilo Miady an-trano ny ao Vakinankaratra


  • Alatsinainy 15 Jolay 2013

Vaky ny ady eo amin’ireo mpikamban’ny Antoko Leader Fanilo ao Vakinankaratra amin’izao fotoana.

Raha nanao ny kongresiny ireo mpikambana tao Vakinankaratra ka nanapaka fa hanolotra kandidà ho solombavambahoaka izy ireo ary nanao fanambarana fa hanohana ny kandidà Hajo Andrianainarivelo dia notsipahin’ny foibe nasionaly izany ka tsy nahazo ny fankatoavany ny kandidà depiote izay voafidy tamin’izany ka nirotsaka tamin’ny anaran’ny fikambanana «Alefa Hery Zo», izay sampana ao amin’ny Leader Fanilo ihany, hono.

Ny sabotsy 13 jolay teo indray dia delegasiona mafonja avy any amin’ny foiben’ny Antoko Leader Fanilo notarihin’ny Sekretera jeneraly, Rabearisoa Eric no nitsidika an’Antsirabe. Nolazainy fa sady tsy fantany no tsy hainy ny fisian’ny fikambanana «Alefa Hery Zo» fa ny Leader Fanilo, hoy izy dia manana kandidà 60 mahery manerana an’i Madagasikara.

Nohamafisiny ny tsy nanoloran’ny Leader Fanilo kandidà filoham-pirenena satria ho an’ity antoko ity dia efa hatramin’ny taona 2009 nanombohan’ny krizy izy ireo no nilaza fa ny fifidianana solombavambahoaka no tokony hatao mialoha saingy tsy izay no nitranga ka dia nisafidy ny hanohana ny kandidà Camille Vital izy ireo, araka ny tapaka nandritra ny filankevi-pirenena. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Randriamanjato David, kandidàn’ny «Alefa Hery Zo» dia maro ny fingampingana natao azy ireo, nefa tsy hihemotra intsony izy ireo sy ny mpomba azy ao Vakinankaratra izay efa nametraka ny filatsahan-kofidiana fa dia miandry ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra sisa.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT