Tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra sy manao izao fanambarana izao manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny eto anivon’ny antoko Kintana sy ny CRN na komitin’ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny filohany,
Tabera Randriamanantsoa, tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Soarano omaly. Fantatsika fa zanaka notezain’ny filoha Zafy Albert ny CRN tamin’ny alalan’ny fitokanana ny lalana nampitondraina ny anarany izay isaorana manokana ny ben’ny tanànan’Antananarivo sy ny ireo mpanolotsain’ny tanàna ao. Noeritreretina tamin’izany fa htao ny 13 oktobra teo ny tsangambato. Nankinina tamin’ny fitondrana foibe izany, hoy ny pasitera Edouard Tsarahame, nitondra teny. Tsy tanteraka anefa satria efa nisy didim-pitondrana monisipaly nomen’ireo manampahefana eo amin’ny tanànan’Antananarivo hanatanterahana izany eo Antananarenina. Nasaina nanatona an’andriamatoa, Pierre Houlder, izay tomponandraikitra ao amin’ny prezidansy izahay ary nanaiky ny handray an-tanana ny fametrahana ny tsangambato izy ireo. Nony vita anefa ny fitokanana ny lalana ka niverina tany izahay dia nolazain’izy ireo fa mila miverina manao fangatahana vaovao indray izahay ary atao 2 na 3 ireo toerana angatahana. Nisy moa ny fitoriana napetrak’ireto hery politika ireto tany amin’ny Bianco mikasika ny Villa Elisabeth sy ny mahazo ny minisiteran’ny asam-panjakana saingy mbola mahagaga azy ireo koa ny tsy hizoran’ny raharaha voalaza faharoa ity hatramin’izao. Mikasika ny fifidianana kaominaly moa dia nanambara ny antoko politika Kintana fa manana kandida miisa 35 izy ireo manerana ny nosy ary miantso ny rodoben’ny mpanohitra na RMDM mba hifanohana aminy. Mikasika ireo faritra izay tsy ananan’izy ireo kandida kosa dia manohana ireo kandida mpikamban’ny RMDM ny Kintana sy CRN. Ho an’Antananarivo, araka izany, dia ny kandida laharana faha 2, Riana Randriamasinoro no tohanan’izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.