Miezaka maka ny fon’ny mponina eny Ivato indray ny antoko Hvm. Omaly dia nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny an-toerana ny mpikambana ao amin’ity antokon’ny filoham-pirenena ity.
Nandritra izany no nampanantenan’Atoa Henri Rabary Njaka, sekretera jeneralin’ity antoko ity, fa na resy teny Ivato aza ny antoko dia hanampy hatrany amin’ny asa fampandrosoana. Afantoka amin’ny asa ny fotoana, araka ny nambarany, ary tsy misy ifandraisany amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ny hetsika natao. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Hvm fa ny fivorian’ny frankofonia amin’ny volana novambra sy ny fivorian’ny Comesa amin’ny oktobra dia hiteraka fananganana fotodrafitrasa maro eny Ivato ka ilana asa. Ny mahalasa saina dia ny hoe mbola ny fanjakana ihany ve no mitondra ny firenena ka miandraikitra izany asa rehetra izany sa efa ny antoko Hvm no manao ny asan’ny fanjakana ? Sa zavatra iray ihany izany ka azo afangaro ? Ny filohan’ny Hvm ihany rahateo no minisitry ny Fanajariana ny tany sy misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Ka inona izany fa tsy i Kotozafy ihany no lekisisy !
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.