Miandry ny fotoanany ny zava-drehetra fa na dia efa tamin’ny 25 janoary 2014 aza ,araka ny didy lah.20 735/2014, no efa ara-dalàna ara-panjakana ny fijoronan’ny antoko politika H.V.M (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara dia omaly takariva tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy vao nambara ofisialy ho ren-tany ren-danitra izany ary nalefa nivantana tamin’ny fahitalavitra mihitsy.
Nampahatsiahivin’ny filoha nasionalin’ny antoko, Atoa Rakotovao Rivo sy ny Sekretera jeneraly Atoa Rabary Njaka ny niforonan’ny antoko sy ny zava-kinendriny dia ny hampiroborobo sy hiaro ny zon’olombelona eto Madagasikara, ny hametraka fitondrana demokratika, tan-dalàna ary tsara-tantana, ny hiasa ho am’iny fampandrosoana ny firenena ao anatin’ny fanajana ny soatoavina sy ny kolontsaina Malagasy, ny handray anjara amin’ny fampijoroana ny tena fanampariaham-pahefana eto amin’ny Nosy ary ny hanome hasina ny fiezahana, ny fahaiza-mandamin-javatra , ny asa ary ny toe-tsaina mihary. Izay no vina, fa ny tsy azo lavina dia miomana hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanàna heverina hatao amin’ny tapatapaky ny volana novambra 2014 ny HVM, izany hoe afaka dimy volana.
Fanontaniana mipetraka ny hoe amin’ny fomba ahoana no hametrahany ny rantsamangaikan’ity antoko ity hatreny anivon’ny Fokontany ao anatin’izay dimy volana izay ? Maninona rahateo no Praiminisitra sy minisitra amperinasa ary mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina no mamandrafitra ny birao politikan’ity antoko vaovao ity ? Ny lojikan’izao dia mety hampiasa ny fahefam-panjakana ka hanery ireo solontenam-panjakana toy ny lehiben’ny Distrika ity antoko ity hanatanterahana ny nofinofiny. Aoka tsy hifamitaka eto ! Mila mihiratra ny maso, fa firenena iaraha-manana ity nefa toa tadiavin’ny sasany hanaovana ampihimamba indray
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.