Vonona ny hiara-kiasa tanteraka amin’ny Antenimierandoholona amin’ny maha Mpanao lalŕna azy ireo mpikambana amin’ny antoko politika HVM ao amin’ny faritra Vakinankaratra tarihin’ny filohany Rakotonarivo William.
Anton’ny fitsidihana nataon’ny delegasiona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré omaly alatsinainy 16 janoary 2017. Fampandrosoana miainga ifotony ho amin’ny fisandratana no tanjon’ny faritra Vakinankaratra manomboka izao. Hetahetan’ireo mpikambana HVM Antsirabe ny mba hisian’ny fiaraha-miasa matotra sy mahomby eo amin’ireo Loholona rehetra sy ireo vondrona parlemantera misy eo anivon’ny Antenimierandoholona dia ny « Groupe Parlementaire HVM sy Groupe Parlementaire Présidentiel » mba hisian’ny fampandrosoana miainga eny anivon’ny kaominina tsirairay avy amin’ny alalan’ny PPPP (4P) na « Partenariat Public-Privé et Population ». Antsirabe izay azo sokajiana ho sompitra ara-toekaren’i Madagasikara noho ny fananany fotodrafitrasa maro na ny Zone Industrielle et Agricole. Vonona ny hanome tantsoroka ireto mpikambana HVM ireto ny Filohan’ny Antenimierandoholona amin’ny fampahafantarana ireo lalàna momba ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana ao Vakinankaratra ao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.