Natolotra ampahibemaso nandritra ny fivorian’ny antoko H.V.M
(Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) tetsy amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina ny sabotsy 04 jolay teo ireo mpandrindra ity antokon’ny fitondrana ity isan-distrika eto Antananarivo. Hetsika tafiditra amin’ny fiomanana ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly ho avy. Ampahefatry ny trano no nisy olona. Nisy ihany koa ny siotsioka tsy fankasitrahana avy amin’ireo mpanatrika rehefa anjaran’Atsimondrano no natolotra. Malaza ho mpivadika palitao mantsy ilay tompon’andraikitra. Mariky ny demokrasia ireny, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotovao Rivo, tsy naka sarotra sady nanamafy fa misokatra ny antokony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.